Ny tena fitia
Ahoana tokoa moa ianao rehefa tena tia?
Sahy manome izay rehetra ananao? Atreto aloha dia samy manana ny fahaizany mitia ny tsirairay avy kanefa kosa mety hisy zavatra hampitovy azy ihany! Mba azonao heverina ve fa ny olona iray rehefa tena tia dia tena mahafoy ny zavatra ananany rehetra eny na hatramin'ny ainy aza? Ary ianao koa ve rehefa tena tian'ny olona iray dia mahafoy azy an'izany? Angamba ianao ihany no hamaly an'izay satria safidinao io. Fa ny any zavatra mba tiako hampita aminao dia ny hoe midika fitiavana foana ve ny fanantaterahana izay tiany? Misy mantsy ny sasany milaza hoe porofom-pitiavana, ka raha toa ka tsy mahavita izay lazainy dia tsy tia azy. Izany marina tokoa ve?