FITIAVANA DISO TAFAHOATRA
Nohon’ny fitiavany ny « dessin animé manga » dia nodidihany impolo ny tarehiny mba hitovizany amin’io. Nandaniany vola be tokoa izany fandidiana izany satria dia mahatratra 136 000 dolara ny totalin’ny vola laniny amin’ny fividianana ny fanafody sy ny menaka atao aminy, izay mbola tohizany ankehitriny. Hatramin’izao aloha dia samy mbola tsy mahafantatra ny mety ho vokatr’izany any aoriana any fa dia sahy izy nananteraka izany akitsipo.
Dia samy manana ny fitiavany tokoa ny olona rehetra ka samy manana ny fandraisany azy avy kanefa mba tandremo ihany fa raha tsy voafehy dia mety hitarika zavatra hafa izay tsy voatery ho tsara hatrany. Efa iraha-mahalala ihany koa fa ny zavatra rehetra tsy misy fetrany dia matetika mitera-boka-dratsy avokoa, fa ny fahaizano mandanjalanja no zava-dehibe.
Mety misy fotoana tokoa ianao no mieritreritra fa ny hafa no tsara aminao dia izay zavatra hitanao nefa tsarovy fa tsy misy tsara mihoatra ny voajanahary ihany raha mbola eto an-tany.