mamono tena hono!

Published on 10/19,2011

Efa sarotra loatra angamba ny fiainana amin'izao fotoana izao ka hany efa tsy mahataitra intsony ny famonoan-tena etsy sy eroa. Mampanaelo sy matezitra indraindray ny mahita na mahare azy ireny amin'ny fahitalavitra sy ny gazety maro isakarazany. Fa inona tokoa moa no tena antony mahatonga izany? Maro tsy voatanisa fa ny tena fotony amin'ny akapobeiny dia ny tsy fahazakany ny onjam-piainana na tsy fahatanterahan'ny zavatra tiany (resaka fitiavana ohatra). Tsy misy saina afaka mieritreritra intsony ve sa nahoana no manao toy izany? Manantena angamba izy fa rehefa maty dia ahita fiadanana amin'izay. Nefa indrisy voa maika aza nampikorotana ny tany izay nilaozany, manjary lasa ady hevitra be mantsy ankehitriny ny mety tena antony nahatonga izany. Ao ny mieritreritra fa ny adalan'ny manodidina no nahatonga izany nefa raha izaho manokana dia ny tsy fihetezany ny hizaka sy hiatrika ny zava-misy  no  nanosika azy hanao toy ireny. Mino tokoa ve ianao fa vahaolana amin'ny fiainana ny famonoan-tena?


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article